

Niorina tamin’ny 1871
Lycée
Saint Laurent Ambohimanoro
150 taona mahery

Nanomboka tamin’ny taona 1871, ny sekoly anglikanina Saint Laurent Ambohimanoro dia nanabe taranaka maro tao anatin’ny fahalalana, fahendrena ary fahamendrehana, ary mbola manohy an'izany hatramin'izao.

Ny sekoly dia mitaiza ny mpianatra hivelatra ara-tsaina sy ara-panahy.
“Ny fatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana” Ohabolana 1:7a
Santa Laurent

I Santa Laurent dia diakona sy martiora nodorana velona tamin’ny fotoana nanenjehana ny Kristiana tao Roma, teo ambanin’ny fitondran’ny emperora Valérien.
Mpitantana ny fananan’ny Fiangonana i Santa Laurent.
Rehefa noteren’ny fanjakana romana hanolotra izany fananana izany ho an’i Roma izy, dia nozarainy tamin’ny mahantra sy ny marefo izany.
Ny sekoly sy ny mahantra
Maro ny mpianatra kamboty sy avy amin’ny fianakaviana sahirana ara-bola, izay beazin’ny sekoly.
Miezaka hatrany ny sekoly ny hitazona ireo mpianatra tsy manana fahafana mandoa ny saram-pianarana.
“Araka izay nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko madinika indrindra ireto no nataonareo tamiko.” Matio 25:40b
Miteraka fahasahiranana ara-bola izany, nefa izany no fototra ijoroan’ny sekoly ary tsy maintsy tandrovany mandrakariva.
Misokatra ho an’ny mpianatra rehetra ny sekoly.
Kanefa, ny mpianatra rehetra dia tsy maintsy mianatra ny katekisma ny Eklesia sy ny vavaka nampianarin’ny Tompo ary manatrika ny fotoam-pivavahana isaky ny Alakamisy ao amin’ny Katedraly Santa Laurent Ambohimanoro.
Ny sekoly, ny fiangonana ary ny fiaraha-monina

Tsy afaka misaraka amin'ny fiangonana ny sekoly ary tsy afaka misaraka amin'ny sekoly ny fiangonana : ny sekoly no nahorin'ireo misionera anglisy vao ny fiangonana.
Nifantoka tamin'ny fampianarana mamaky teny sy manoratra izy ireo.
Ny katekisma sy ny baiboly no noentina nampianarana an'izany.
Ny sekoly Santa Laurent dia manaraka ny fandaharam-pianaran' ny fanjakana, nefa tsy ny fahazoana naoty tsara amin’ny fanadinana ihany no tanjona.
Manabe ny mpianatra ho olom-pirenena vanona, manana fitondran-tena mendrika ary mitondra soa ho an’ny fiarahamonina ny sekoly.
Fahalalana, Fahendrena, Fahamendrehana
Fanohanana ny sekoly
Misokatra ny sekoly ho an'ireo manana hetaheta hilatsaka an-tsitrapo hanampy azy (fampianarana, fitantanana, sns) na hanaohana ara-pitaovana na ara-bola.
“Fa tahaka ny tena tsy misy fanahy no maty, dia maty toy izany koa ny finoana tsy misy asa.” Jakoba 2:26
Ny talen'ny sekoly

Rév. Emira Andriamaneho (ankavanana)
Serasera
Andro fandraisana
☷ Alatsinaina - Zoma
Ora fandraisana
◷ 8h00 - 12h00
◷ 14h00 - 17h00
Toerana
⚲ Anjohy, Antananarivo
Laharana
☏ 034 28 169 52
Mifandraisa aminay